Mamy Ravatomanga

Foana ny «zo tsy azo enjehina», nesorina ny tombontsoa


  • Alatsinainy 17 Novambra 2025

maha masoivoho…

Namoaka fanambaràna omaly ny fitaleavan’ny minisiteran’ny fitsaràna fa araka ny taratasy fampahafantarana voaray avy amin’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny ny 14 novambra 2025, mikasika ny fanafoanana ny sata maha kaonsily ilay mpandraharaha malagasy iharan’ny fanenjehana iraisampirenena, Maminiaina Ravatomanga, ankehitriny, ho an’ny firenen’i Serbia sy Cote d’Ivoire dia mampahafantatra ny minisiteran’ny fitsaràna fa foana tanteraka ny sata sy ny tombontsoa manokana rehetra izay nositrahan’io mpandraharaha io mifandraika amin’ireo andraikitra voalaza ireo. Tsy manana ny sata maha masoivohom-pirenen’ireo firenena miisa 2 ireo intsony, araka izany, ity mpandraharaha ity, eto amin’ny tanin’ny repoblikan’i Madagasikara. Foana ihany koa ny «zo tsy azo enjehina» faritan’ny lalàna izay mety ho natokana ho azy taloha. Miatrika ny fitsaràna toy ny olompirenena rehetra, noho izany, andriamatoa Maminiaina Ravatomanga na Mamy Ravatomanga, araka ny lalàna iraisampirenena sy ireo rafitra rehetra mifehy izany. Ny minisiteran’ny fitsaràna dia manamafy hatrany ny fanajàna hentitra ny lalàna, ny mangarahara ary ny fitovian’ny olompirenena rehetra eo anatrehan’ny fitsaràna, hoy hatrany ity fanambaràna omaly ity. Etsy ankilany, ankoatran’ny fanenjehana iraisampirenena ara-pitsaràna mafy mihatra amin’ity mpandraharaha malagasy ity, indrindra, atsy amin’ny nosy Maorisy, izay voalaza ho itazomana azy amin’izao fotoana izao, dia mitohy ihany koa ny antsoina hoe fanakorontanana ny sain’ny mpanara-baovao mikasika ny maha mety tena ity mpandraharaha ity na tsy izy akory an’io voatazona ao Maorisy io. Mbola fanontaniana apetraky ny mpanara-baovao maro hatramin’izao ny hoe nankaiza ny tandran’ity mpandraharaha ity? Tena izy tokoa ve io voatazona ao Maorisy io sa olona mitovy aminy?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

  • SAVOROVORO TENY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

AMIN'NY 67 HA

  • HERISETRA AMIN’NY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

MAHALAHY SY MAHAVAVY

  • Saran'ny fampiasana "drones"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Mahatratra 1 560 000Ar hatreto...

  • Firosoana amin’ny
  • Alarobia 29 Aprily 2026

fampiasàna nomerika

Hijery ny tohiny
FTT