Azo ambara hoe sahirana amin'ny zava-manjo
azy atsy amin'ny nosy Maurice ny mpandraharaha Mamy Ravatomanga, malaza ho olona tena akaiky amin'i Andry Rajoelina ary mifandray betsaka aminy eo amin'ny resaka ara-bola .
DOSIE EFA ELA....
Raha ny fahitana ity fanadihadiana mahazo azy ity dia tsy hoe vao izao fa efa ela no niainga. Tsy moramora mantsy ny mitsirika izany hoe famotsiam-bola (blanchiment d'argent) izany ka hoe ao anatin'ny herinandro dia ho vonona ny antontan-taratasy. Etsy ankilan'izay dia tsy hoe vao tamin'ny 2025 no nandrenesana hoe mampiteny ny anarany sy ny volany izany Mamy Ravatomanga izany fa efa hatrany amin'ny fitondrana tetezamita notarihin'i Andry Rajoelina satria raha niaina krizy sy olana ara-bola ny ankamaroan'ireo mpandraharaha, izy kosa dia nahavita nanorina ilay hotely lehibe sy raitra miaraka amina toeram-pilalaovana Golf tao Foulpointe ny taona 2012, 2013. Izay Malagasy monina na mpivezivezy tany Goaungzhu, Chine dia mahafantatra fa nanana asa aman-draharaha tany any koa ary malaza ho "boss" na lehibe tany i Mamy Ravatomanga. Teto Madagasikara manokana, dia anarana anisan'ny malaza sy mora tadidin'ny olona tato anatin'ny 15 taona ny anarany, ary misy fotoana aza toa lasa biby fampitahorana mihitsy.
EFA NANDRASAN'NY OLONA
Atsy amin'ny nosy Maurice izy dia manan-katao ihany koa, ary raha nisy fotoana aza nanao fitsidihana ara-pomba ofisialy tany ny fanjakana malagasy dia mba anisan'ny delegasiona ihany koa izy na dia tsy mpikambana ao amin'ny governemanta aza. Manana antontan-taratasy maro mahakasika azy sy ny zavatra atao izay mampiahiahy ny fanjakana Maorisiana, ka pitik'afo nandrehitra ny fanenjehana azy ny fidiran'ilay fiaramanidina nitondra azy sy Ntsay Christian , nitsoaka avy aty Madagasikara ho any Maurice. Tsy nahafaly ny fanjakana Maorisiana iny ka niainga teo ny fanadihadiana .Raha tsorina ny resaka dia niandry an-dRavatomanga efa hatry ny ela ny manampahefana atsy Maurice, ka dia io mandeha io ny fanadihadiana noho ny heloka ara-bola sy famotsiam-bola.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.