Iraka fototra miaraka amin’ny andraikitra sahanin’ny Cnidh (Commission Nationale Indépendante des Droits de l’Homme) ny miaro sy mampahafantatra ny zon’olombelona.
Asa mivaingana notontosain’ny vaomiera tao anatin’ny 11 volana mahery nijoroany ny fandehanana mivezivezy manarena an’i Madagasikara. Tanjon’ny rafitra mpikirakira ny zon’olombelona Malagasy moa ny famaranana ny fitetezana ireo faritra 22 amin’ity taona 2017 ity, hoy ny filoha lefitra Mamy Rabetokotany. Zavatra hataon’ireo mpikambana amin’izany ny mandray ireo fitarainana marobe avy amin’ireo sokajin’olona isan-karazany. Mitohy amin’ny antso fanairana ireo andrim-panjakana na rafitra manam-pahefana manoloana na zava-misy iray miseho eo anivon’ny fiarahamonina izany, araka ny fanazavana. Raharaha tena mafana nidiran’ny Vaomiera nasionaly mahaleotena misahana ny zon’olombelona eto Madagasikara ohatra ny tranga fandatsahana ain’olona tao Antsakabary. Ekena ny tsy fifankazahoan-kevitra tamin’izy iny saingy rehefa nisy ny fandikan-dalàna dia tsy maintsy hampiharina ny fanasaziana satria tany tan-dalàna i Madagasikara, hoy ny kaomisera filoha mpanampin’ny Cnidh.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.