Ny azo antoka aloha hatramin’izao dia tena mahay mitady vola tokoa ity fitondrana vaovao ity ka anisan’ny lalana iray amin’izany ny fampitomboana ny hetra alaina sy ny fanitarana ny fitakian-ketra amin’ny sehatra maro samihafa.
Hisy ny drafi-pandaminana ireo asa sokajiana ho laharam-pahamehana eo amin’ny fiadidiana ny fadin-tseranana sy ny sampandraharahan’ny fandoavan-ketra mba hanatsarana hatrany ny fampidiran-ketra hatramin’ny faran’ity taona ity. Izay no tapaky ny filankevitry ny governemanta teny Mahazoarivo omaly. Efa fantatra hatrany am-piandohana fa tsy misomonga amin’ny resaka fampidiran-ketra izao fitondrana izao ary izay vao tena fantatry ny rehetra ny dikan’ilay tenin’i Hery Rajaonarimampianina hoe : aza matahotra ianareo fa haiko ny mitady vola. Mazava izany ny resaka eto fa dia amin’ny alalan’ny fanerena ny vahoaka handoa hetra ambonimbony hatrany no hanangonan’ny fanjakana vola. Ny famatsiam-bola avy any ivelany rahateo mbola manify dia manify. Ekena fa tsy maintsy mitaky hetra ny fanjakana, saingy manahirana ihany ny mieritreritra fa ao anatin’ny fotoana tena mbola sarotra ho an’ny isan-tokantrano no hampitomboana isan-kerinandro ny hetra alaina. Raha nalaza ratsy tamin’ny fitadiavam-bola amin’ny alalan’ny fanondranana boaderozy ny fitondrana tetezamita, dia ny famoretana ny vahoaka handoa hetra indray izany no tena talentan’ity fitondran’ny HVM ity. Moa ve mba tena hentitra tahaka izany koa ny fanjakana amin’ireo orinasa Karana, Sinoa ary Frantsay tena mangoron-karena eto amintsika amin’izao fotoana ? Mandoa hetra isam-bolana ara-dalàna ve izy ireny sa mahazo famindram-po manokana…araka ny feo mandeha ? Ny madinika hatrany ve izany sanatria no ampijaliana e ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.