Vonona hanohana an’i Madagasikara i Afrika Atsimo
Manana ny anjara toerany lehibe nandritra iny krizy teto Madagasikara iny i Afrika Atsimo
.Nanambara ny masoivohon’ ity firenena ity omaly Atoa G.J Grobler raha nanontanian’ny mpanao gazety fa vonona ny hizara ny traikefany ho an’ny firenena malagasy izy ireo mandritra ilay fikaonandoham-pirenena atao ny 21-22 jolay ho avy izao eny Ivato.Notsiahiviny fa isan’ireo firenena manohana an’i Madagasikara hatrany i Afrika Atsimo tamin’ireo dingana nentina namahana ny krizy politika teto.Momba an’Atoa Marc Ravalomanana dia nilaza izy fa firenena manana ny fiandrianany Madagasikara ary efa manana ny filoha voafidy ara-demokratika, ka anjaran’ny izay voakasika no mijery an’izay.Somary nanao pi-maso ny mpitondra ankehitriny moa ity masoivoho ity raha nilaza fa tokony ataon’ny mpitondra fakantahaka i Nelson Mandela raha namela ireo fahavalony na ara-politika na ara piaraha-monina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.