Actualités

Mampanantena tsy misy


  • Zoma 24 Jolay 2015

Asa na inona indray ny fialana bala mety ho ataon’ny mpitondra fanjakana ny amin’ny famotsorana ireo atidohan’ny trafikana boaderozy eto amintsika, andrasan’ny rehetra fatratra izay fanampim-panazavana avy amin’ny fitsarana manokana momba ny ady amin’ny kolikoly na ny « Chaîne pénale anti-corruption »

 
 eny amin’ny 67 Ha.Inona no dikan’ilay hoe tsy ampy ny vesatra ? Fanadihadiana nataon’ny Bianco nandritra ny 2 taona ve dia ambara fa mbola maivana ? Mampiahiahy ihany ny zavatra tahaka izao, indrindra fa efa mazava amin’ny rehetra fa vola aman-jatony miliara ariary no miodikodina amin’ity resaka hazo sarobidy ity eto amintsika sy any ivelany any.Ny filoham-pirenena anefa nilaza fa ho hentitra amin’ny ady amin’ny fanondranana an-tsokosoko sy tsy ara-dalàna ny harem-pirenena, tahaka izany koa ny praiminisitra ary farany teo nilaza an’io koa ny minisitry ny tontolo iainana ; tsy hita anefa izay tena asa mivaingana.Mitohy ny fanondranana boaderozy, tsy tafaverina eto Madagasikara ny hazo tratra tany ivelany (Maorisy, Zanzibar, Singapour)..Tsy misy voasambotra na dia iray aza ireo atidoha miketrika ny afera na dia efa fantatra izao aza fa misy lisitra anaran’olona tsy latsaky ny 15 mandehandeha any ho any.Rehefa tsy mahavita dia tsy tokony ho be resaka sy mampanantena tsy misy fotsiny e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT