MAMO TARAIKY TANY AN’ELAKELAN-TRANO

Notondroin’ny olona ho mpangalatra, naiditra am-ponja


  • Alatsinainy 08 Jolay 2024

Tovolahy iray handeha hamonjy hasoavan-jaza teny Itaosy Atsimondrano teny no fantatra fa

tsy nahatadidy lalana ka tafatsofoka tany an-tananan’olona. Andro alina no nisehoan’izany andro maromaro lasa izay no sady efa mamomamo ihany koa ilay tovolahy. Efa diso leo loatra ny tsy fandriampahalemana nisy tao amin’ilay tanana anefa ireo mponina no sady efa nisy ihany koa ireo vaky trano matetika ka nifatratra tany amin’io tovolahy io ny hatezeran’izy ireo. Nosamborin’izy ireo avy hatrany io tovolahy io ary natolony ny mpitandro ny filaminana. Taorian’ny fanadihadiana natao dia naiditra am-ponja vonjimaika ny anaolahy. Na izany aza tsy nahatrarana fitaovana maranitra na zavatra hafa kosa tany aminy. Tsiahivina moa fa tena fady ary tsy azo hatao ny mandehandeha any an-tananan’olona amin’izao fotoana mampahamay ny tsy fandriampahalemana izao, indrindra fa amin’ny andro alina. Efa tena sahirana mantsy ny vahoaka amin’ny fitadiavana nefa mbola manao ny hataony hatrany ireo mpangalatra ka tsy maintsy miaro ny ainy sy ny fananany izy ireo. Ny fiainana rahateo efa tena mihasarotra.
Pati
Legende : Tsy azo hatao ny mandehandeha amin’ny alina any an-tananan’olona !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT