Actualités

MAMAHOAKA ANDIANY FAHA 6 Fahombiazana na dia tsy ampy vola nampiasaina aza


  • Alarobia 10 Septambra 2014

Azo lazaina fa fahombiazana ny Hetsika Mamahoaka andiany faha-6 natao tao Antsirabe ny 5-6-7 Septambra lasa teo

Raha ny nambaran’i Mami Bastà, anisan’ireo mpikarakara dia tratra ny tanjona na dia tsy tratra aza ilay mpijery 50.000 nofaritana, saingy betsaka noho ny tamin’ny taon-dasa ny mpijery. Tsy dia nisy firy ny dokambarotra saingy tafita tamin’ireo manodidina ny fisian’ny hetsika Mamahoaka. Anisan’ny nambaran’ny mpikarakara fa nahitana mpanakanto mahay tsy fahita firy ihany koa iny hetsika iny, izay tsy dia mbola niaka-tsehatra kanefa dia manana ny maha izy azy rehefa naseho vahoaka. Raha ny famaranana ny alahady lasa teo moa dia rakotra olona tanteraka ny manodidina ny araben’ny fahaleovantena izay nahitana ny tarika Kazim sy ny Oazy Groove avy ao Antsirabe, Talike teratany malagasy avy any ivelany ary anisan’ny nandrasan’ny maro ny tarika Ricky izay nanakatona ny Mamahoaka.Nanamafy i Mami Bastà fa hotazonina ity fomba fiasa tamin’ny Mamahoaka andiany faha-6 ity, izay tsy nisy mpamatsy vola toy ny isan-taona kanefa nahitana fahombiazana. Anisan’ny nanohana azy ireo nahavitana ny hetsika ny orinasa Comadis tamin’ny alalan’ny «Rhumerie de l’Iles Rouge ».

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT