Vehivavy lehibe iray, 70 taona eo, no maty tsy tra-drano nofaohan’ny fiara 4x4 teny Malaza Andoharanofotsy omaly, tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany maraina. Avy aty an-drenivohitra handeha hianatsimo ilay fiara. Ilay ramatoa be sy ny vadi

kosa mandeha an-tongotra hihazo ny renivohitra. Tamin’ny fotoana nifanenan’ny roa tonta mihitsy anefa no tafakatra teny amin’ny lalan’ny mpandeha an-tongotra ilay 4x4 ka ilay ramatoa no lasibatra voalohany. Maty teo no ho eo izy noho ny dona mafy nahazo ny lohany. Feno faritra mangana koa ny vatany. Voadona ihany koa ilay rangahibe vadiny, ary mbola miady amin’ny fahafatesana hatramin’ny omaly nanangonanay ny vaovao. Vehivavy no nitondra ity fiara 4x4 ity. Na izany aza, tsy nandositra izy fa dia niatrika ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro ny filaminana avy eo anivon’ny borigadin’ny zandarimariam-pirenena ao Andoharanofotsy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.