Actualités

Malaimbandy Tsy azo atao intsony ny mivoaka alina.


  • Alarobia 06 Aogositra 2014

Raha ny vaovao voaray avy any an-toerana dia saika isaky ny telo alina no misy trangana fanafihana. Mitam-basy ary tsy mitsitsy mihitsy ireo jiolahy amin’izany. Araka ny voalazan’ny olobe iray any an-toerana dia misy ihany ny mpanao ratsy voasambotra saingy toa votsotra ho azy avy eo.

Manoloana izany dia misy ny fepetra tsy fahafahana mivoaka alina na”couvre feu”, manomboka amin’ny 10 ora alina hatramin’ny 6 ora maraina. Misy ny dina haloan’ireo izay mandika io lalàna io ka vola hatramin’ny 50.000 Ar no sazy. Anisan’ny toerana mahatamana sy milamina anefa i Malaimbandy raha ny fanazavan’io olobe avy any an-toerana io ihany. Ahitana vokatra maro sy karazam-biby toy ny akanga sy lambo ny tanàna. Eo ihany koa ny harena ankibon’ny tany maro dia ny quartz sy ny vatosoa maro samihafa. Manao antso avo noho izany ny mponina ny mba hijeren’ny tompon’andraikitra akaiky ny tsy fandriampahalemana any an-toerana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT