Actualités

Malagasy Youth Business Meeting Mpandraharaha tanora maromaro nihaona tamin’ny Filoha


  • Talata 18 Aprily 2023

Araka ny efa fampahafantarana momba ny fandaharam-potoanan’ny Filoham-pirenena omaly, dia nisy ny fihaonana

sy fifanakalozan-kevitra nifanaovany tamin’ireo tanora mpandraharaha vao misondrotra na ilay antsoina hoe: “Malagasy Youth Business Meeting”. Anisan'ny nandray anjara tamin'izany izy 9 mianadahy voafantina tamin'ny famaranana ny "3,2,1 pitch by Fihariana" sy ireo tanora mpandraharaha misongadina eo amin'ny seha-pihariana samihafa toy ny fambolena sy fiompiana, ny fanodinana vokatra isan-karazany, ny fiahiana ny tontolo iainana, ny haitao ara-kajy mirindra,.... Nihaino ireto tanora ireto ny Filoha Andry Rajoelina ary nifampizara tamin'izy ireo ny traikefa ananany sy ny lalana nizorany teo amin'ny tontolon'ny fandraharahana, hoy ny tatitra. Noderainy manokana ny fahavononana nasehon'ireto tanora ireto hitondra ainga vao eo amin'ny tontolon'ny fandraharahana eto Madagasikara. "Mahavelom-panantenana sy fahatokisana amin'ny hoavin'ny indostria sy ny fandraharahana eto Madagasikara ny finiavana hasehonareo ankehitriny", hoy ny Filoha. Ankoatra ny fandaharanasa Fihariana izay efa manome fanohanana ireo tanora mpandraharaha maro dia nanambara ihany koa ny Filoha Andry Rajoelina fa vonona tanteraka ny Fitondram-panjakana izay tarihiny fa hifanome tanana amin'ireo tanora, hampiroborobo ny seha-piharian'izy ireo. Notontosaina omaly ihany koa ny fanolorana ireo fanomezana manokana avy amin'ny Filoha Andry Rajoelina ho an'izy 9 mianadahy nanao ny famaranana ny 3,2,1, Pitch by Fihariana, izay natao teny amin’ny CCI Ivato. Irariana mba tena hisy ny politikam-panjakana hijerena sy hanosehana ny tanora handraharaha sy hamorona asa ho lasa fanoitra ara-toekarena fa tsy sanatria hijanona ho resaka ambony latabatra, toy ny fampanantenana maro izay betsaka no tsy tanteraka.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT