Ny 19 martsa teo no nandray sidina farany avy any ivelany i Madagasikara. Nilaza omaly ny minisitry ny fitaterana sy ny fizahantany, Joel Randriamanjato,
fa mba hisorohana ny fitomboan’ny olona voan’ny aretina Coronavirus eto Madagasikara dia tsy hampody ireo Malagasy monina sy miaina any ivelany maniry hody an-tanindrazana intsony aloha isika. Tsy sakanana kosa anefa ireo Malagasy mbola te ho any ivelany. Azo atao ihany kay ny manakana ny fidiran’ity aretina ity eto Madagasikara. Fa ahoana indray izany ny fipetrak’ilay hoe zon’ny olom-pirenena hody amin’ny tanindrazany? Nitombo indray ny fanapahan-kevitra mampametra-panontaniana.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.