Nanamafy ny minisitry ny raharaham-bahiny omaly fa teratany malagasy hatramin` ny 1 600 isa no efa voaraikitra eo anivon` ny ministera ka efa afaka mody an-tanindrazana.
Misy kosa ny fepetra sy fandaminana mahakasika izay, hoy Tehindrazanarivelo Djacoba A. S. Oliva. “Efa ela no nanomanan` ny ministera ny fampodiana an` ireo malagasy mihitsoka any ivelany saingy miandry toromarika araka ny fotoana mahamety azy. Misy ny lisitra efa hananan` ny ministera sy ireo masoivoho ary kaonsily. Amin` ireo no hakana ny olona izay tena marefo ka tsy maintsy mody. Misy ny sasany no tsy manana taratasy no sady tsy manan-koanina. Noho izany, ny ministera no mananapaka izay mody voalohany”. Namafisin` ity minisitra ity hatrany fa tsy ireo izay manam-bola dia afaka mividy tapakila any amin`ireo kaompania anabakabaka. “Misy ny fandaminana saingy ny tanjona aloha dia mody daholo" hoy ihany izy. Marihana fa Koweit, Afrika Atsinanana ary Amerika no efa nanaovana hetsika fampodiana ireo Malagasy taraiky any ivelany noho ny aretina “coronavirus”
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.