Mitohy ny fampodiana an-tanindrazana ireo Malagasy nihitsoka tany ivelany taorian’ny fikatonan’ny sisintan’i Madagasikara ny 19 marsa 2020, noho ny fisian’ny valanaretina coronavirus.
Taorian’ireo fangatahana sy fitarainana nisesisesy nataon’ireo Malagasy tavela tany ivelany ireo dia nanapa-kevitra ny fitondram-panjakana fa hampody azy ireo, ary namoaka tetiandro ho fanatanterahana an’izany. Miisa 815 no efa tafody an-tanindrazana, araka ny tatitra nataon’ny ministeran’ny raharaham-bahiny malagasy omaly. Ireo vehivavy niasa tany Koweït no namaky lay azy, niisa 177 izy ireo, tonga tamin’ny 08 jona 2020. Nisy 130 avy atsy Maorisy, tonga tamin’ny 20 jona 2020. Nigadona an-tanindrazana tamin’ny 6 jolay 2020 ireo 213 avy atsy Afrika niaraka tamin’ny avy any Etazonia, Brezila ary Royaume Uni. Nisy 32 avy any Senegal, Gabon, Guinée-Conakry, Mali, Niger, Egypta ary Cameroun, tonga tamin’ny 15 aogositra 2020. Nisy 233 ireo avy any Eorôpa (Frantsa, Italia, Norvezy, Alemaina, Belzika) tonga tamin’ny 16 aogositra 2020 ary 30 avy atsy Kaomoro, tonga ny 17 aogositra 2020. Andrasana amin’ity alakamisy 20 aogositra ity ny fahatongavan’ireo Malagasy tavela tany Inde. Ho in-droa miantoana amin’ny 22 sy 29 aogositra ny fahatongavan’ny avy atsy La Réunion. Hiampy andiany telo ny ny fahatongavan’ireo avy any Eorôpa dia amin’ny 24, 30 aogositra sy 06 septambra. Atao fitiliana Covid 19 avokoa izy ireo vao migadona eto Madagasikara ary atokam-ponenana mandritra ny efatra andro miandry ny valin’ny fitiliana PCR azy ireo.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.