Vehivavy Malagasy iray 32 taona antsoina hoe Dyane,
miasa any amin’ny Nosy Maorisy no voadonan’ny fiara ny alatsinainy maraina tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany raha iny izy handeha hamonjy asa iny. Mafy ny dona nahazo azy ka na dia niala nenina tao amin’ny hopitaly Jeetoo aza dia namoy ny ainy izy ny tolakandro. Nisy ny fanadihadian’ny polisy avy ao Beau Bassin tamin’ilay mpamily. Nampanaovina “alcootest” na fizahana momba ny mety ho fandraisana zava-pisotro misy alikaola, saingy tsy nahitana na inona na inona. Manan-janaka roa ity tovovavy ity, ary nikasa hody izy amin’ny volana ambony kanjo izao niharan-doza izao, raha ny fitantaran’ny namany. Ny fanontaniana mipetraka ho an’ireo mpiasa malagasy namany any an-toerana dia hoe iza no manaraka ny tohin’ny fanadihadiana ? Matetika mantsy rehefa misy tratran’ny loza toy izao dia ampodiana fotsiny ny razana dia vita hatreo ny raharaha, hoy izy ireo.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.