Mbola mipetraka ny fanapahan-kevitra mikasika ny fikatonan’ny sisin tany. Rarana ny fitaterana ireo olona avy any amin’ireo firenena efa voambaran’ny ACM sy ny ministeran’ny fitaterana mbola tena hanjakan’ny valan’aretina Covid 19.
Ireo izay tena manana antony manokana sy olana tsy maintsy vahana kosa dia jerena akaiky arakaraky ny antotan-taratasiny ka iarahana midinika eny anivon’ny tompon’andraikitra voakasik’izany. Araka izany, tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra omaly fa misy ireo teratany Malagasy miisa 78 avy atsy « Arabie Saoudite », izay iantohan’ny OIM iray manontolo ny mikasika azy ireo, nahazo alalana hody an tanindrazana ny 25 novambra izao noho izy ireo marefo sy niharan’ny herisetra. Tsara no manamarika fa tsy maintsy manaraka ny fepetra ara-pahasalamana rehetra na avy aiza na avy aiza ny fampodiana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.