Hisy sidina manokana hitatitra ireo teratany frantsay mihitsoka eto Madagasikara ny 07 jolay izao. Ireo orinasa misehatra amin` ny fizahan-tany “Wamos Air” sy “Aventour Madagascar”
no miara miasa amin` ny masoivoho frantsay. Etsy ankilany, nandefa taratasy ho an`ny Filoha Rajoelina ireo teratany Malagasy mihitsoka any Frantsa ny 29 jona lasa teo. Mangataka ny fampodiana azy ireo aty an-tanindrazana na dia mbola mikatona ny sisin-tany eto Madagasikara. Raha tsiahivina, nandritra ny lahateniny ny alahady lasa teo, dia nanambara ny praiministra Ntsay Christian fa “tsy maintsy jerena isaky ny tranga ny fampodiana ireo Malagasy avy any ivelany izay mbola maro no tra-pahasahiranana”. Andrasana araka izany izay fanapahan-kevitra ho raisin` ny fitondram-panjakana. Marihana fa miisa 380 ireo teratany Malagasy voarakitra eo anivon` ny masoivohon`i Madagasikara any Paris mitaky ny fampodiana azy.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.