Actualités

Malagasy miasa any ivelany Malalaka ny fandehanana any Maorisy


  • Zoma 08 Aogositra 2014

Nisy ny didy navoakan’ny fanjakana teo aloha teo mandrara ny fandefasana mpiasa hiasa any ivelany

Tao anatin’izany dia maro ihany koa ireo orinasa mpandefa mpiasa any ivelany no nikatona no sady tsy ara-dalàna, ka ireo mankany amin’ny  firenena arabo no tena voakasika tamin’izany noho ity farany nahitana olana hatrany. Nanamafy anefa ny tompon’andraikitra iray amina orinasa mpandefa mpiasa atsy amin’ny nosy Maorisy Rtoa Sitraka Raveloharisoa fa malalaka sady mbola ara-dalàna ny fandefasana mpiasa any amin’ity Nosy rahavavy ity satria misy ny taratasy mazava nomen’ny ministeran’ny asa-mpajakana. Nomarihany tamin’izany fa mpiasa amina orinasa afakahaba no tena betsaka mankany ary manana fifanarahana mazava tsara sy ara-panjakana. Nilaza ny tenany fa tsy mbola nahitana olana  ireo mpiasa Malagasy atsy Maorisy. Na izany aza anefa ilaina hatrany ny fahamailoana ary ilaina fantarina ireo ivo-toerana  azo antoka sy ara-dalàna. Fnattra fa teratany Malagasy manodidina 200 no lasa  niasa any amin’ny nosy Maorisy nanomboka tamin’ny taona 2012

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT