MALAGASY

Mandray anjara amin’ny Program Global Shield


  • Talata 02 Jolay 2024

Anisan’ny mpandray anjara amin’ny atrikasa momba ny fitiliana ireo akora simika

fanamboarana baomba ny tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato, Atoa Hery Rakotosolofo. Miisa 18 ireo mpandray anjara, ary avy amin’ny firenena 14 manerana an’i Afrika. Ny Fikambanana Iraisam-pirenen’ny Fadintseranana (OMD) no mikarakara ity atrikasa ity, izay nanomboka ny 24 jona hifarana anio Talata 02 jolay , ao Mombasa, Kenya. Ny tanjon’ity fiofanana ity dia ny hanamafisana ny fiarovana ny firenena sy ny faritra rehetra manodidina azy, manoloana ny asa fampihorohoroana. Nampirisihana nandritra ny atrikasa ny hanatsarana ny fiaraha-miasa eo amin'ny andrim-panjakana rehetra eto amin’ny firenena, mba hanatratrarana izany tanjona izany. Ny Program Global Shield (PGS) dia hetsika iraisam-pirenena mba hisorohana ny asa fampihorohoroana sy hisakanana ireo mpanao izany asa ratsy izany tsy hahita sy tsy hampiasa ireo singa sy akora simika fanamboarana baomba, raha tsiahivina. Hahazo fahaiza-manao mikasika izany ireo mpandray anjara. Hofanina ihany koa izy ireo amin'ny fanombanana ny loza mety hitranga, ny fomba fanadihadiana, ny fanatsarana ny fiaraha-miasa eo amin'ny andrim-panjakana ary ny fifanakalozana vaovao eo amin’ny samy Fadintseranana. Ity atrikasa ity dia ampahany amin'ny hetsika GLOBAL amin'ny tetikasa PGS, izay mahazo famatsiam-bola avy amin’ny Departemantam-panjakana Amerikana sy ny Vondrona Eropeanina, ary tohanan'ny Regional Intelligence Liaison Office for West Africa (RILO WA) sy ny Defense Threat Reduction Agency (DTRA). Dingana iray lehibe amin'ny ady hataon’izao tontolo izao amin'ny fampiasana fitaovam-piadiana mahery vaika, ity atrikasa ity ka anisan’izany ny baomba.
Pati
Legende : Nandritra ny atrikasa izay hifarana anio Talata !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT