MALAGASY DESIGN GAZE

Hanome lanja ny vita Malagasy sy ny famoronana miavaka


  • Alarobia 14 Mey 2025

Hikarakara hetsika miavaka ny MAD’ART ADVISORY ny 07 ka hatramin’ny 21 Jona ho avy izao.

Salon Malagasy Design Gaze no anarany izany varotra fampiratiana manome toerana ny famoronana miavaka. Ihoby Rabarijohn sy Kiady Ratovoson izay samy tanora Malagasy avokoa no angady nananana sy vy nahitana izany. Tanjon’izy ireo ny hampiseho ny talenta sy ny fahaiza-manaon’ireo mpanakanto malagasy eo amin’ny sehatry ny famoronana. Malagasy Design Gaze dia manam-paniriana ny hampiseho amin’ny daholobe sy ireo matihanina ny fahaizana, ny kalitao ary ny harenan’ny famoronana vita malagasy. Ity « Design Fair » ity dia ahafahan’ireo mpankafy ny zava-kanto mifandray amin’ny fanaingoana sy ireo mpisehatra eo amin’ny « architecture d’intérieur » mahita sy mividy ireo asa tanana tsara kalitao sy miavaka. Ny 07 Jona ho avy izao moa no fotoam-panokafana, ny 13 Jona no hanaovana ny « Dégustation design » ao amin’ny Le Gourmet, hitohy ao amin’ny Fondation H izany ny 14 Jona raha ny 21 jona kosa no hanaovana ny famaranana ao amin’ny Marais Design Food, lanonana « Mars Design Attack » ao amin’ny Restaurant Le Marais, sady fankalazana ny fetin’ny mozika. Hohita mandritra izany ny asa tananan’i Ando Ramanantsoa, Fanjar, Saïda Augustine, Chlöe Ramanankasina, Iandry Randriamandroso, Eric Raisina, Kiady Ratovoson, Aina Dedem ary Georges Floret.
Pati
Legende : Ireo tompon’andraikitra nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT