Malagasy miisa 130 no nigadona tamin’ny fiaramanidin’ny Air Mauritius teny Ivato ny sabotsy lasa teo.Olona niasa tany amin’ity nosy rahavavy ity , na namita iraka, na namangy olona, na nitsabo tena izy ireo ka tavela tany rehefa nampiharina ny fihibohana tanteraka.
Na i Maorisy na i Madagasikara mantsy dia samy nanidy ny sisintaniny avy ka noho izany tsy nisy fiaramanidina na sambo mitatitra olona afaka niditra na nivoaka.Efa natao fitiliana tany am-piaingana ary mbola naverina natao fitiliana teny Ivato ireto Malagasy 130 avy any Maorisy ireto.Tsy maintsy mbola mihiboka mandritra ny 14 andro koa izy ireo ; mbola hisy ny fitiliana hafa atao ka aorian’izay vao mahazo mody any an-tokantrano rehefa azo antoka fa tsy voan’ny Coronavirus.Nisy ny taratasy fanekena nosoniavin’izy ireo ny amin’ny fanajana ny fepetra rehetra napetraky ny fitondram-panjakana Malagasy.Nitondra ireo Maorisiana tavela teto Madagasikara avy hatrany moa ity fiaramanidina ity rehefa niverina.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.