Nigadona omaly maraina teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato ny fiaramanidina an’ny Air Madagascar nitondra ireo Malagasy tavela tany Inde nody an-tanindrazana.
Niisa 111 no tonga raha 150 izy ireo tany ampiandohana. Nisy ireo niova hevitra tamin’ny fotna farany ka tsy nandeha, tao ireo tsy nahavita fitiliana PCR notakiana nialoha ny fiaingana ary ny sasany kosa nanana olana. Nitsabo tena tany Inde ny ankamaroan’izy ireo, misy mpianatra ary misy antony arak’asa no nandehanany ka tavela tany. Natao ny fitiliana PCR ireo mpandeha rehetra teo am-pahatongavana avy eo dia mamonjy ny toerana fihibohana izy ireo miandry ny valin’ny fitiliana azy ireo. Nalefa eny amin’ny Villa Verte Ambatomirahavavy ny 58, ao amin’ny Hôtel Ibis Ankorondrano ny 36 ary ao amin’ny SIZAMA Antanetibe ny 17.
Nangonin’i Jean D
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.