Mampalahelo ny maheno sy mahita teratany Sinoa mampiditra malagasy any am-ponja, hoy ny mpitarika fikambanana iray. Raha tsy olo-meloka ilay teratany Malagasy, rariny ve raha izay no zava-miseho ?
Mbola difotry ny tsy fahatokisana ireo manampahefana eto amin’ny firenena amin’izao fotoana ny malagasy na dia efa teo sy mbola eo hatrany aza ny filazan’izy ireny fa hataon’izy ireo ho laharam-pahamehana ny ady amin’ny gaboraraka sy ny kolikoly. Re indray izany tany Toamasina ny faran’ny herinandro teo raha napetraka tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny toerany ny lehiben’ny fitsarana ao amin’ity renivohi-paritra ity. Ho laharam-pahamehana ny ady amin’ny kolikoly sy ny fitsaram-bahoaka, hoy izy. Rehefa foana ny kolikoly dia tsy hisy intsony fitsaram-bahoaka. Ireo manampahaizana, toy ny mpahay olona, anefa dia efa mibabaka fa ny mampihena ny kolikoly no azo atao satria tsy hitombina ho foana mihitsy izany. Efa ahiana ho misy kolikoly indray ankehitriny, taorian’ny raharaha Soamahamanina, ny zava-misy ao Ambatolampy – Ambinaninony ao izay misy fitrandrahana ataona orinasa Kanadianina. Ity ve no tonga amin’ilay fanahian’ny mpanandro sasany hoe manomboka maka toerana eto tokoa ireo vahiny ary mora aminy izany satria efa difotry ny kolikoly loatra ny tontolon-dramalagasy ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.