Actualités

Maitre Olala “Tsy manaraka ny fenitry ny lalàna ny fanafahana an'i Arphine”


  • Alarobia 06 Mey 2020

Tsy anjaran’ny filoham-pirenena fa an’ny fitsarana no tokony hamoaka ny mpanao gazety, Arphine Helisoa, hoy ny mpisolovava, Willy Razafinjatovo na Maitre Olala.

 

 

 

 

 

 Ny olona avy niakatra fitsarana no azo omena famotsoran-keloka na “grace presidentielle” fa i Arphine, hoy izy, dia nogadraina fotsiny kanefa tsy nisy nataony ary tsy nampiakarina fitsarana akory. Raha fahafahana vonjimaika no nomena dia mba midika izay fa mbola mitohy ny dosie ary hiakatra fitsarana ny raharaha hivoahan’ny marina. Ho hitan’izao tontolo izao fa nigadragadra fahatany izy. Farafaharatsiny fahafahana madiodio na fampitsaharana ny fanenjehana no efa nitranga, raha ny fanazavany, hatrany. Nomarihin’ity mpisolovava ity moa fa tsy nisy nitory i Arphine ary nilaza izy fa tsy manaraka ny fenitry ny lalàna iny fomba namoahana azy iny.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT