Tsy ambony tsy ambany toy ny lohalik’alika ny raharaha Arphine Helisoa ankehitriny, raha ny fanazavan’ny mpisolovava azy, Willy Razafinjatovo na maitre Olala
. Ilay olona tanana vonjimaika kanefa ny fitsarana tsy atao. Ny naoty avy any amin’ny minisitry ny fitsarana dia milaza fa ny raharaha misy fitazomana olona vonjimaika sy resaka fahatrarana ambodiomby na “flagrant delit”dia tokony mandeha ny fitsarana azy. Manely resaka diso ny mpitondra fanjakana satria raha olona mahita ny dosie sy nanaraka ny fanadihadiana tao amin’ny “Parquet” dia nahita fa tsy nisy idiran’i ramatoa Arphine Helisoa ity raharaha ity fa ilay olona atao hoe Jean Philippe, izay any Frantsa no tompon’andraikitra ary mbola nandefa lahatsoratra tao amin’ilay tranokala ihany aza io olona io taorian’ny nitazomana am-ponja an’i Arphine Helisoa, hoy izy. Fara faharatsiny izany dia nomena fahafahana vonjimaika ity voampanga ity dia tsaraina avy eo ahitana ny fahamarinana fa ny tena tokony ho izy dia tsy misy tohiny ity raharaha ity. Ilay Jean Philippe no tokony tsaraina raha tena sahy ny fitondrana, hoy ny Me Olala. Aleon-drizareo manenjika ity Malagasy mananontena kely ity, satria miasa amin’ny gazety manohitra ny fanjakana dia araraotina amin’izao ; efa natao ihany izy io tamin’ilay resaka angidimby fa tsy voa, hoy hatrany izy. Hametraka izay fangatahana fahafahana vonjimaika izay indray moa amin’ity anio ity ny maitre Olala sy ny ekipany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.