Maitre Eric Rafidison

«Fandikan-dalàna tanteraka no nataon’ny filoham-pirenena!»


  • Alatsinainy 28 Jolay 2025

Ho sarotra amin’ny mpitsara ny hanoy ny fanadihadiana amin’ity raharaha

fanapozinana ara-tsakafo teny Ambohimalaza ity, hoy ny mpisolovava ireo fianakavian’ny niharamboina, Maitre Eric Rafidison. Mbola tsy vita hatramin’ny farany ny fanadihadiana saingy efa nitondra fanazavàna mikasika ity raharaha ity i Andry Rajoelina ary mety ho tatitra diso no voarainy raha tena manaraka io raharaha io isan'andro marina ny tenany, hoy ity mpisolovava ity. Mbola tsy nisy hatreto ny fakàna am-bavany an’i Fenohasina sy ny reniny, izay torian'ireo fianakavian'ny niharamboina, saingy efa karazana tatitra ireny nataon’ireo tomponandraikitra eto amin’ny firenena ireny, hoy izy. Fandikan-dalàna tanteraka, araka izany, no nataon’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, amin’ny tsy fanajàna ny tsiambaratelon’ny fanadihadiana sy ny fisaraham-pahefana! Maninona no tsy natao fitsirihana tsirairay ireo maty tamin’ity fanapozinana ity? Lasa niverina tany amin’ny Donut araka ilay nambaran’ny minisitry ny fahasalamana no nisy ilay poizina nefa nisy tamin’ireo marary no tsy nihinana Donut fa sakafo hafa nandritra iny andron'ny 14 jona 2025 iny, hoy hatrany izy.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT