Maintirano

Zazavavy vao 03 taona naolana lehilahy 30 taona


  • Alarobia 21 Febroary 2024

Lehilahy iray indray no tratra nanolana zazavavikely vao 03 taona monja

tany amin’ny distrikan’i Maintirano tany, Faritra Melaky tamin’ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny vaovao azo dia namonjy fiandrasam-paty tao Morima Betanatanana ity lehilahy nahavanon-doza ity tamin'ny Zoma lasa teo tokony ho tamin'ny 6 ora hariva. Nisotrosotro ny anaolahy nandritra izany hoy ny vaovao ka nihetsika ny filan-dratsiny. Nilaza ho mamo diso tafahoatra mihitsy aza izy raha araka ny fanazavany, antony nanosika azy hanolana ilay zanak’olona vao 03 taona monja tsy mbola mahalala na inona na inona. Voatery tsaboina ao Maintirano mihitsy moa ilay zaza noho ny fahasimban’ny taovam-pananahany raha efa niatrika famotorana mpanao ratsy ka fantatra fa efa naiditra am-ponja vonjy maika. Miantso ny hanafainganana ny fampiharana ny lalana velona mikasika ireo olona mpanolana eto amintsika ny fiaraha-monina manoloana izany. Saika nahatsikaritra avokoa mantsy ny rehetra fa toa mitaredretra ny fanjakana amin’ny fampiharana izany nefa ireo mpanolana tsy mitsahatra ny manao ny hataony. Miisa 03 moa raha kely nanomboka ny faran’ny herinandro teo ireo zaza voalana teto amintsika nahazoam-baovao.
Pati
Legende : Ity ilay tsy mataho-tody nanolana zaza 03 taona !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT