Mailo sy milalao fihetseham-po ny Filoha

« Avotsory ny vadin’i Kolonely raha nogadraina marina »


  • Alatsinainy 05 Mey 2025

Naneho hevitra saingy tsy nivalapatra tamin’ny afera ampamoakan’i Médecin Colonel Patrick Rakotomamonjy

ny Filoha ankehitriny. « Misy zavatra 2, raha tsy diso aho dia tsy eto Madagasikara izy, noho ny zavatra tsy fantatra dia tafatsoaka any ivelany. Ny fanadihadiana no manamarina ny zavatra hanenjehana sy hanamelohana an’ilay kolonely. Ny zavatra nanaitra ahy fotsiny dia ny mahakasika ny vadiny. Raha ny fanambarana nataony dia migadra ny vadiny, amiko manokana raha misy heloka ataon’ny Raim-pianankaviana iray dia tsy misy tokony ho fiantraikany na kitikitihana amin’izany ny vady aman-janany. Rehefa ny olona tsy mitovy hevitra, aza kitikitihina ny vady aman-janany. Raha tena nokitihina marina ny vadiny, dia avotsory, tsy mety raha resaka tsy misy tokony hidirany no hikitihana ny vadiny », hoy i Andry Rajoelina. Tsara ny manamarika, fa nampitandrina mafy io kolonely io fa raha maninona maninona ny vadiny dia hisy hahita raharaha eto. Lojika ny firesak’i Andry Rajoelina satria tsy tokony hisy fikitikitihana ny vady aman-janak’ilay kolonely voakasika amin’ny aferany manokana. Eo ihany koa ny mety ambana na « menace », eny fa mety pi-maso ara-tserasera ihany koa, na filalaovana fihetseham-po, ary mety tsy te ho ratsy amin’ny andaniny sy ny ankilany. Fahita sy fanao amin’ny paikady filalaovana ny sain’ny olana ihany koa na ilay antsoina hoe : « Stratégie de manipulation de masse » ny fambolena sy famoronana olana, avy eo vahana mba hanehoana ho tahaka ny « héro » sy Mesia ny mpamaha olana. « Efa fomba fanao tamin’ny andron’ny Amiraly Ratsiraka daholo anie no misy amin’izao e. Samborina, gadraina dia mody miditra an-tsehatra ny filoha mamoaka na mampamoaka izay voatazona any. Niharan'izany ry Monja Jaona nogadraina dia navoaka nomena toerana CSR », hoy ny fanehoan-kevitry ny olom-pirenena. Ambony tokoa ny ambana, ka tsy maintsy manamboatra paikady hakana fom-bahoaka ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT