Inona indray ry Jean no hoentin’ity herinandro vaovao diavintsika ity ? Nafampana ihany mantsy ny adim-politikantsika tamin’iny herinandro lasa teo iny
Tsy mbola mivaha ireo olana ara-tsosialy miseho raha tsy hiresaka afa-tsy ny raharaha mpampianatra Fram fotsiny isika. Tsy dia atao mahagaga izany satria ny an’ise dia tena manavanana an’ise mihitsy ity fanapahan-kevitra mitranga mihemotra ity. Soa fa tsy mbola mitorona tanteraka fa saika kilasiana ho anisan’ilay bibikely nalaza tao anatin’ny 5 taona lasa indray ise raha tsy izany. Tsy ny hevitra fotsiny ny anareo no mifanipaka atsimo sy avaratra fa ianareo mihitsy no mitady hifanipaka toy ny valala an-karona. Raha tsy azon’ise ny hevitr’izany mba jereo ihany ireny valala nangonin’ny kilonga madinika tao anaty harona sase ireny dia ho tsapan’ise izany hoe mifanipaka an-karona izany. Mbola miandry ihany, mbola miandry hatrany izay fanatanterahana ny vava navoakan’ise aloha hatreto ny vahoaka fa tandremo fa misy fetra ihany izany ka tsy te hahita ny fanoron-dratsy aho a !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.