MAILAIMBANDY

Velarantany 50 ha main’ny afo


  • Alakamisy 22 Aogositra 2024

Mirongatra ny doro tanety eto amintsika.Tandindomin-doza tanteraka ny firenena vokatr’izany,

tranga izay ahiana hampahazo vahana bebe kokoa ireo karazana loza voajanahary maro samihafa.Velaran-tany maherin'ny 50 hekitara indray izao no solan'ny afo, kila hotohoto tany Malaimbandy, faritr'i Menabe afak’omaly Alatsinainy 19 Aogositra. Voatery niditra an-tsehatra nifanome tanana nifehy ny afo noho izany ny zandary sy ny fokonolona ka ora maromaro ihany no lany vao maty tanteraka izany. Tsiahivina moa fa vao tamin’ny faran’ny herinandrp teo no nitohy ny fahamaizana tao Isalo. Tany 4 ha no maty ny Alahady 18 Aogositra lasa teo raha nahatratra 400 ha kosa tamin’ny datin’ny 03 Aogositra. Ahiana ho ngazana tanteraka vokatr’izany i Madagasikara raha mitohy izao fandoroana tanety izao. Olona roa moa hatreto no efa voasambotra tamin’ilay fahamaizana nitranga tao Isalo iny.
Pati
Legende : Afobe tahaka izao tao Malaimbandy !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT