Actualités

Mahery Lanto Manandafy Hotsaraina amin’ny 14 novambra


  • Talata 24 Oktobra 2017

Tsy tapitra hatreo fa mitohy ny gidragidra eo amin’i Mahery Lanto Manandafy sy Lalatiana Rakotondrazafy sy Andry Andriatongarivo vadiny.

Raha tsiahivina, notorian’ireto farany noho ny resaka fanalam-baraka anaty tambajotran-tserasera “facebook” i Mahery Lanto Manandafy. Natao famotorana teny amin’ny Borigadin’ny zandarimariam-pirenena Betongolo ny tenany ny zoma 20 oktobra teo, ary nitohy teny amin’ny fampanoavana omaly alatsinainy 23 oktobra. Nahazo fahafahana vonjimaika izy omaly, ka ny 14 novambra ho avy izao no hotsaraina ny raharaha. Araka ny nambarany tao anaty tambajotra ara-tsosialy omaly, dia nilaza ho mbola nahazo fandrahonana am-bava tamin’i Andry Andriatongarivo izy teny anoloan’ny tribonaly omaly, ary vavolombelona nahita izany ny zandary. Tsy nanana mpisolovava ny tenany nandritra ny fiakarana fampanoavana omaly, saingy manomboka rahampisto aho dia maka mpisolovava amin’izay satria izaho ihany koa hitory ary efa misy mpisolovava maromaro vonona hitsangana, hoy ny fanehoan-keviny tao amin’ny tambajotra fesiboky. Hitohy hatrany sy hihamafana, araka izany, ny fifanandrinana eo amin’ny an-daniny sy ny an-kilany. Ny faran’ny herinandro teo no efa nanehoan’i Mahery Lanto Manandafy, fa afa-baraka izy ary tsy maintsy diovina ny voninahiny eo amin'ny fiarahamonina ka hitory, hangataka onitra, ary indrindra fialan-tsiny ampahibemaso amin'ny Radio Free FM sy ny gazety Free News ataon’i Lalatiana Rakotondrazafy mivady. Anisan’ny tafiditra tao anatin’ny ampamoaka nataon’i Mahery Lanto Manandafy moa ny ambara fa fanaovana “chantage” na fandrahonana mba hahazoan-dry Lalatiana Rakotondrazafy vola amin’ny mpanolotsain’ny filoha Mbola Rajaonah. Nilaza moa ity farany ny faran’ny herinandro teo, fa manelingelina ny mpanohitra, ary fomba fiady ny fandotoana amin'ny alalan'ny fampiasana mersenera toa an-dry Lalatiana Rakotondrazafy sy Andry Andriatongarivo. Izy ve izany no miaro sy manosika an’i Mahery Lanto Manandafy amin’izao fotoana izao ? Ny an-kilany kosa iaraha-mahita ihany koa ny fironan-keviny sy ny mety ho ao an-damosiny, dia ny mpitondra ambony tamin’ny tetezamita toa an’i Mamy Ravatomanga sy Andry Rajoelina. Mihalalina sy mahaliana ny maro ity raharaha ity, ka miandry ny tohiny ny rehetra.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT