MAHAZO VAHANA NY DORO TANETY

Velaran-tany 600 ha kila forehitra tany Marohogo Betsiboka


  • Alakamisy 21 Septambra 2023

Manomboka mahazo vahana ny doro tanety any amin’iny faritra avaratra andrefan’i Nosy iny.

Vao hiditra an’Ankazobe dia efa hita taratra izany, izay tsy mitsaha-nihitatra. Tonga hatrany Marohogo, Faritra Betsiboka izany omaly raha araka ny vaovao azo. Velaran-tany 600 ha raha kely no indray kila forehitra hotohoton'ny afo. Tsy fantatra mazava izay niavian’ny afo raha araka ny vaovao azo fa ilay velarantany may efa nahatratra 10 ha tany ho any no nanaitra ny fokonolona. Niezaka ny namono izany ireto farany hatramin’ny omaly hariva, fotoana nanoratanay saingy mbola tsy nety maty ihany ny afo. Na izany aza dia efa misy ny olona ahiahiana ho nanao izao fandoroana tanindrazana izao. Miantso ny tokony hampiharana ny lalana amin’ireo mpanao ratsy avy hatrany ireo mponina any an-toerana hahafahana mamongotra azy ireny. Tsiahivina moa fa isaky ny fotoam-pifidianana tahaka izao dia misy hatrany ny tranga mampalahelo tahaka itony. Tsy fantatra intsony izay ao ambadika na hoentina hanakorontanana saim-bahoaka na koa famotehana tsotra izao ny ho avin’ny firenena mihitsy.
Pati
Legende : Ngazana sy may tahaka izao ny ao Marohogo Betsiboka !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT