navadika ho lasantsy
Olana goavana eto amintsika ny fako plastika, indrindra fa ny sachet sy ny tavoahangy izay manimba ny ́nofon-tany ary tsy levona raha tsy 100 taona any ho any, mety mihoatralavitra noho izany aza. Nahita vahaolana mifandraika amin’izany ireo mpianatra ao amin’ny taona voalohany manovo fahalalana eo anivon’ny sekoly ambony ISPM na ny Institut Supérieur Polytechnique de Madagascar eny Antsobolo. Dimy mirahavavy izy ireo no niketrika ny tetikasa manaraka ny lalam-piofanana Industrie chimique minière et pétrolière. Tanjona hoy Ramatoakely Josée Ariniaina Tania ny hahatonga antsika Malagasy tsy hanafatra solika avy any ivelany intsony fa vita eto an-toerana ihany ny famokarana. Eo ihany koa ny fahafahana manangona ny fako plastika rehetra mba tsy handoto tanana sy hanentsina ny tata-drano ka ho afaka hamorona asa ho an’olona maro ny fanodinana izany nefa azo hatao akora fototra maro ihany koa. Na izany aza anefa dia ny fako plastika PEP no tena mety fa tsy ny PVC hoy hatrany ny fanazavana azo.
Mitaky fitaovana maro anefa ny fanodinana izany toy ny reacteur lehibe, ny tuyau, ny bocal, ary ny bouteille à gaz izay hangatahin’izy ireo tohana manokana avy amin’ny Fitondram-panjakana hahafahany manatanteraka ny tetikasany. Raha mampiasa fako plastika 1kg sy 500 gr mantsy izy ireo dia ny 10% azo avy amin’ny fanodinana izany no hahazoana lasantsy 2 cl eo ho eo. Hahazoana gaz azo handrahoan-tsakafo 3,5 l kosa ny 20% raha azo hanaovana lalana rarivato auto blocant ny 70%-n’ny akora fototra izany hoe : hahazoana pavé miisa 3. Nomarihin’ireto mpianatry ny sekoly ambony tsy miankina ISPM taona voalohany ireto moa fa mbola azo hatao tsara ny manatsara io tetikasan’izy ireo io, indrindra raha misy mpanohana. Ho an’ity sekoly ity manokana moa dia fantatra fa hifarana amin’ity volana Oktobra ity ny fifantenana ny dosie ho an’ireo maniry ny hanovo fahalalana eny an-toerana raha amin’ny volana Novambra ho avy izao kosa ny fidirana ho an’ny taom-pianarana 2026-2027.
Pati
Légende : Izy efatra mirahavavy kely mpianatry ISPM tompon’ny tetikasa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.