Olona roa sahady izao no maty natsingevan’ny rano maloto tao amin’ny fokontany Mahavoky Besarety vokatry ny firotsahan’ny rotsak’orana. Lehilahy ny iray tokony ho tamin’ny 8 ora maraina ary tsy nisy naka raha tsy efa folakandro.
Raha araka ny fanazavan’ireo mponina eny an-toerana dia avy any amin’ny La Rotonde no nentin’ny riaka be izy lehilahy afak’omaly alina ka tsy afaka nanavotra ny ainy intsony. Tafiditra avy hatrany tany anaty tata-drano izy, ny andro rahateo maizina. Ankoatra izay, zazakely iray ihany koa no maty nentin’ny rano hitan’ny mponina teny an-toerana ihany ny sabotsy maraina teo ary efa antoandro vao nalain’ny BMH. Mahatsiaro ho sahirana tanteraka ireo tompon’andraikitra eo anivon’ity fokontany iray ity. Afak’omaly alina, ohatra, dia tsy nisy natory mihitsy ireo mponina eny an-toerana satria tafiditra tany an-tokantranony avokoa ny rano maloto rehetra ka voatery nandroaka izany izy ireo ankoatra ny fampiakarana ny ankizy madinika sy ny olon-dehibe tamina toerana avo. Tsentsina mantsy ny lakan-drano ao Mahavoky Besarety sady tsy misy matetika ny asa fanadiovana. Efa mivonona ny hiasa hitatitra ireo mponina ao an-toerana sahady ny sarety, indrindra amin’ny fotoana tsy hahafahan’ny fiara mampiasa iny lalana iny intsony. 200 Ar isan’olona, raha tsiahivina, ny saran-dalana izay mety ho tafakatra hatrany amin’ny 500 Ar.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.