Actualités

Mahavoky avaratra -Mahajanga Tokantrano 15 may kilan’ny afo


  • Talata 30 Jona 2015

Olona nahandro sakafo tamina fatana iray no tsy nahatandrina ny arina nampiasaina ka dia nitarika ny firehetan’ny afo ka nahatonga ny famazaina tao amin’ny tokantrano iray tao amin’ny fokontany Mahavoky Avaratra Mahajanga ny alahady maraina tokony ho tamin’ny 10 ora teo

 

. Niainga avy amin’io tokantrano iray io ny afo ary niparitaka tamin’ny trano hafa manakaiky azy. Vokany, may avokoa ny entana rehetra tamin’ireo trano nandalovan’ny afo ary tsy nisy noraisina intsony na iray aza afa tsy ny akanjon’ireo olona teny an-kodiny ihany.  Nanano sarotra ny mpamonjy voina ihany ny famonoana ny afo satria dia tery ny lalana miditra amin’io toerana misy ny trano may io ka voatery ny olona indray no nitatitra ny rano nentina namonoana ny afo. Naharitra ora maro ny famonoana saingy niparitaka hatrany ny afo. Etsy an-daniny koa ny rivotra nifofofofo ka nampahazo aina ny afo. Fianakaviana 12 amina tokantrano 15 no tsy manan-kialofana vokatr’io. Samy nitondra ny fanampiana avokoa ireo mpitondra ao Mahajanga sy ireo antoko samy hafa toy ny Mapar sy ny TIM satria dia tena sahirana avokoa ireo fianakaviana traboina ireo. Ny alahady io hatrany dia tonga teny ny lehiben’ny faritra Boeny nitondra trano lay an’ireo mponina tratran’ny hain-trano ireo. Mila fitandremana tokoa ny hain-trano amin’izao fotoana main-tany izao satria dia mahazo vahana izy io  tato ho ato, indrindra amin’izao fisian’ny rivotra mifofofofo izao.

Tolin

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT