Mahavitara Sylvestre kandida lany ao Vangaindrano

Nohelohina higadra 5 taona, mandoa onitra 122 miliara Ar,…


  • Zoma 07 Jona 2024

Nosamborina tany Vangaindrno ary nentina niakatra taty Antananarivo,

ka naiditra am-ponja teny Antanimora nanomboka ny 8 aprily ny kandida tsy miankina Mahavitara Sylvestre. Enjehina ho nanao fanodikodinam-bolam-panjakana teo anivon'ny Minisiteran'ny fahasalamam-bahoaka. Tsy vitan’izay, fa raha ny vaovao niparitaka omaly, dia nohelohin’ny fitsarana higadra an-tranomaizina 5 taona sazy mihatra, 5 taona tsy mahazo manao asam-panjakana, 3 taona tsy manao politika, ary mandoa onitra 122 miliara. Andaniny, tahotra ara-politika no nandikan’ny mpanara-dia azy izany, izay nisy ny hetsika samihafa nataon’izy ireo, taorian’ny fanenjehana. Efa nangataka ny hamotsorana azy ireo Raiamandrreny sy mpanjaka tany an-toerana taorian’ny fisamborana azy, saingy io fanagadrana io no setriny. Izy moa raha tsiahivina no filohan'ny fikambanana Jamais Mort. Tany am-ponja ity kandida ity nandritra ny propagandy, ka ny vadiny « i Endrin’i Mahaira » sy ireo mpiray lisitra aminy ary ny mpikambana rehetra ao anatin’ny Jamais Mort no nanao ny fampielezan-kevitra ho azy. Tsy arakaraka ny maha tsy teo ny lohalisitra, fa nolanian’ny vahoaka tamin’ny isan-jato ambony i Mahavitara Sylvestre, mitarika mazava 42,72% amin’ny alalan’ny vato 31063, raha 22,69% kosa ny kandidam-panjakana Randrianasolo Tojosoa Ideal izay tsy nahazo vato afatsy 16498, raha ny vokatra feno navoakan’ny SRMV. Io fahalaniany no heverina fa vao mainka nahasosotra ny mpifanandrina sy mety ho anton’itony fandetehana itony. Tapitra mihitsy izany ny taom-piasan’ny depiote vao ho tafavoaka ity farany, raha tsy mahazo rariny any amin’ny fampiakarana. Miverina izany ny sary tahaka ny tamin’ny 2019 izay tany am-ponja ny kandidan’ny IRD Hasimpirenena Rasolomampionina sy ny kandida tsy miankina Ludovic Adrien Raveloson avy amin’ny tsy miankina kanefa voafidy ho depiote tao Fandriana iry voalohany ary tao Mahabo ilay faharoa. Raha ny lalàna dia ny lisitra faharoa no miakatra rehefa voamarina ny fahabangan’ny lohalisitra.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT