Mahavelom-bolo ny zava-bitan’ireo ekipa malagasy miangaly ny taranja Basikety sy Baolina kitra omaly alahady. Tafakatra amin’ny dingan’ny ampahefa-dalana amin’ny Afrobasket mantsy ny ekipam-pirenena malagasy ho an’ireo zazalahy latsaky ny 18 taona ary nandrombaka ny amboaran’ny ranomasimbe Indiana amin’ireo klioba tompondaka ny CNaPS Sport. Mba miova kely amin’ny mahazatra ny vaovao nisongadina ny faran’ny herinandro. Manomboka mahatoky ny resaka fanatanjahantena indray Ramalagasy, faly sy tretrika satria nandresy ny an’ny tena
Tsy vintana na fitahiana manokana anefa no nahatonga izao fandresena izao fa avy amin’ny asa, fikirizana, fianarana, fifampizarana traikefa, fanatsarana hatrany ny zavatra efa hay ary fananana vina ny amin’ny ho avy. Tsy vitan’ny nofinofy ny fahombiazana amin’ny fanatanjahantena fa mila asa sy « kotrana » ary saina matsilo. Vory lanona ireo fepetra ireo matoa tsara ny vokatra. Ny faniriana dia mba afaka mianatra lesona tahaka ny mpanao fanatanjahantena ny mpitondra sy ny mpanao politika. Manaiky fa tsy tonga lafatra, manaiky fa diso, manaiky fa misy ny lesona tsy maintsy ianarana, manaiky fa tsy tapi-pahaizana ny tena fa tsy maintsy mihaino ny soso-kevitry ny hafa. Voaporofo izao fa tena mahay ny Malagasy ary mahavita azy, rehefa mahiratra ny mpitarika, mazava ny rindran-damina ary mazoto miasa ny mpanatanteraka. Tsy azo adino ny maha zava-dehibe ny risi-po sy aingam-panahy any anatin’ny tsirairay avy any. Nahafinaritra ny nahita ireo mpomba sy mpanohana ny ekipam-pirenena Malagasy teny amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina omaly, niombom-po amam-panahy nanohana ireo zandrikely tao amin’ny U18. Nihofahofa ny sainam-pirenena malagasy, niray feo ny rehetra ka nahoana moa izany no tsy azo entina aty amin’ny resaka politika sy fitantanana ny firenena ? Tsy ny mahasoa ny vahoaka sy ny firenena ary ny tanindrazana iombonana ve no tena zava-dehibe ? Ka inona indray no mbola andrasana fa tsy ndao irosoana haingana ilay fampihavanam-pirenena tena izy dia hiaraka hifaly ny ambanilanitra e ! Mahavita azy anie Ramalagasy rehefa tena mahay miray hina e !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.