Nitrangana hain-trano mahatsiravina tao amin’ny Fokontany Mahavelonkely, distrikan’i Fenoarivo Atsinanana omaly Alatsinainy tamin’ny 01 ora maraina. Mpivarotra masikita iray nanipy afo tao anaty fatana avy nolemana nefa tsy maty no nahatonga ny loza
Vokany, trano miisa 26 no indray kilan’ny afo ary 126 ireo traboina. Ankoatra ireo dia olona iray tao amina tokantrano iray niandohan’ny afo no naratra mafy. Tonga nijery akaiky ny zava-misy tao amin’ity fokontany ity omaly ny antoko Avana, notarihin’ny filohany Jean Louis Robinson, izay mpiara-miasa akaiky amin’ny Alliance pour la restauration de la démocratie. Nisy nandritra izany ny fanoloran’izy ireo ny voatsirambin’ny tanana toy ny sakafo, ny fitafiana …entina hanampiana ny mponina. Nambaran’ity filohan’ny antoko Avana ity moa fa miara-miombom-po sy fanahy amin’ireto olona traboina ireto ny tenany manoloana izao zava-mitranga izao. Hatramin’ny omaly dia napetraka tao amin’ny tranom-pokonolona ireo fianakaviana traboina ireo raha efa nisy ihany koa fanolorana tranokely avy amin’ny minisiteran’ny mponina any an-toerana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.