MAHAVELONA FOULPOINTE

Mahasarika olona maro hatrany na dia lafo aza ny fiainana


  • Alatsinainy 19 Aogositra 2024

Mbola saika feno avokoa amin’izao tapaky ny volana aogositra mahery izao ireo hotely sy trano

fandraisam-bahiny rehetra ao Foulpointe na dia lafo aza ny fiainana, ampian’ny haratsian-dalana. Hataon’ny fiara madinika ora 4 na 5 miala ao Toamasina mantsy izany izay tsy mbola misy fanamboarana aloha hatreto. Miezaka mitazona ireo mpizahantany vahiny sy ireo mpiala sasatra tonga any an-toerana noho izany ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny ao Foulpointe. Ahitana taratra izany ny famoronana ireo karazana kilalao mahasarika ny ankizy sy ny olon-dehibe toy ny beach kite eny amin’ny tora-pasika. Tena tian’ny vahiny io karazana kilalao farany io raha araka ny vaovao azo avy any an-toerana. Efa tsy toy ny teo aloha intsony ihany koa ny fahadiovan’ny tanàna fa tena mahafa-po saingy ny vidim-piainana no mbola midangana tsy ahitana vahaolana. 12.000 Ar ny vary iray lovia faran’ny mora indrindra, ampy ho an’ny olona iray.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT