Tampoka sy tsy nisy nanampo ny fisehon’ny loza. Raha nilalao baolina toy ny fanaony isaky ny antoandro amin’ny 12 ora ireto ankizy tao an-tanŕna dia lasa tany amin’ny lobolobo na mololo ny baolina
. Tsy nisalasala ity tovolahy kely iray naka ilay baolina tao anaty mololo. Nikoropaka izy nandray ilay baolina ka voarainy hatramin’ny tariby misy herinaratra Jirama tao ambany mololo. Niraikitra teo ilay ankizy lahy kely ary dia afaka hatramin’ny ainy. Tokony mba hanara-maso ny fotodrafitrasany ihany ry Zareo Jirama satria mazàna dia misy tapaka ny tariby mitondra herinaratra mankany Station Alaotra kanefa taraiky ny fanamboarana ny jirama izany, hoy ny olona, dia manjary ny tsy manan-tsiny no lasibatra.
Niry A
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.