Ramatoa lehibe iray mipetra-drery no hita faty irery tao an-tokantranony ny faran’ny herinandro teo tany amin’ny kaominina ambanivohitra Mahatsinjo, distrikan’i Soavinandriana, Faritra Itasy.
Raha araka ny vaovao azo dia efa tsy nisy taova intsony ity Ramatoabe ity ankoatra ny tsinainy. Talohan’io trangan-javatra io dia efa hita nandritra ny andro vitsy izy ka nanomboka lasa ny saina ny manodidina.Nozahàna anefa ny tanànany nihidy tsara ny vavahady. Somary nitanila kosa ny varavaran'ny trano. Fa ny tena nanaitra ny maro dia ny fahitàna lalimanga marobe nanodidina ny tranony. Rehefa niditra nizaha ny razana araka izany ny manodidina dia ny lohan’Itompokovavy sy tongony izay efa nisy nofokely sisa no hita tao. Fanontaniana maro no nipetraka tao an-tsain’ny maro araka izany toy ny hoe : novonoin’ny olona ve ity Ramatoabe ity na maty irery tao an-trano ary namoaka fofona ka nohanin’ny biby. Raha araka ny fantatra moa dia tsy manan-janaka ity Renim-pianakaviana ity.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.