Actualités

Mahatratra 260km ny haben’I Freddy Hamakivaky ny avofoan-tany, hatevina be ny orana,…


  • Talata 21 Febroary 2023

Tany amin’ny 963 Km atsinanana somary avaratra atsinanan’i Mananjary no nisy ny foiben’i Freddy omaly 20 febroary tamin’ny 3 ora tolakandro.

Mikisaka haingana miakandrefana somary atsimo andrefana izy ka mahafaka 35 Km/ora. Rivodoza mahery vaika hatrany i Freddy. 200 Km/ora ny rivotra entiny izay arahina tafiotra 280 Km/ora manakaiky ny foibeny. Tombanana hiditra an-tanety eo anelanelan’i Mahanoro sy Manakara anio talata alina ka vinavinaina ho 175 Km/ora ny rivotra hiaraka aminy ary tafiotra 250 Km/ora amin’izay fotoana izay. Hikija ny rotsakorana matevina (> 200 mm), hahery be na hisamboaravoara (> 10 metatra) ny ranomasina ary ahiana mafy ny fiakaran’ny ranomasina indrindra manamorona ny faritra hidirany an-tanety. “Hamakivaky ao an-drenivohitr’i Manakara sy Mahanoro anio alina manomboka amin’ny 09 ora ka hatramin’ny 10 ora ilay rivo-doza Freddy. Hikija tanteraka ny ranon’orana vokatr’izany. Hahatratra hatrany amin’ny 200 mm ny haavony ao anatin’ny 24 ora” araka ny fanamafisana sy fanazavan-dRaholijao Niry Lalao, tale eo anivon’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro etsy Ampandrianomby. Nomarihin’ity tompon’andraikitra ity fa tafiditra ao anatin’ny faritra tokony hitandrina mafy ny Faritra Analamanga, Itasy, Bongolava mandritra ny fandalovan’io rivodoza io manomboka amin’ny Alarobia ho avy izao. Hahatratra hatrany amin’ny 260 km mantsy ny haben’i Freddy ka faritra maro no ho voakasiny. Efa saika miomana fatratra amin’ny fandalovan’ity rivo-doza ity avokoa ny rehetra manoloana izany. Efa nisy ny lamina napetraka ho an’ny birao nasionaly misahana ny loza voajanahary. Efa saika mihatrana any amin’ny faritra Atsinanana avokoa ny ekipa amin’izao fotoana izao mitondra sakafo, trano hipetrahan’ireo traboina….
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT