Mahatony Soavimasoandro

Nahery vaika ny hetsi-bahoaka leo tsy fisiana jiro sy rano


  • Zoma 04 Oktobra 2024

Tahaka ireo toerana sy fokontany maro teto Antananarivo sy ny Renivohitra,

nihetsika ihany koa ny vahoaka teny Mahatony Soavimasoandro ny alarobia teo, nitohy omaly alakamisy takariva sy alina. Ny olan’ny jiro sy rano mampikolay ny rehetra hatrany no mankaleo ny vahoaka, ka tonga hatrany amin’ny hetsika mahery vaika. Manomboka leo satria maraina no manomboka tapaka ny jiro, ary tsy miverina raha tsy ny alina, ny rano tsy misy efa ho iray volana eo izay, hoy ireo mponina. Mety ve raha ataonay mitsitapatapaka ihany koa ny fandoavana ny jiron’ny jirama,… Ny faktiora anefa midangana ary raha vao tara ny fandoavana, hoy hatrany ny vahoaka naneho ny alahelony. Tsy misy rano, fa rano maloto no sotroina. Taloha 500 Ar ny iray « bidon jaune », niakatra 1000Ar, 1500Ar ary mety hiakatra 2000Ar indray, raha ny fanamarihana. Tonga hatramin’ny fanehoana fa diso fanantenana tanteraka amin’ny mpitondra Fanjakana hoe : izao ve ilay nampanantenaina tamin’ny propagandy ? Nahery vaika ny hetsika, nijoalajoala ny afo, ary nisy mihitsy aza ireo olona indrindra fa ny tanora sahy niatrika ny mpitandro ny filaminana izay tena naneho fa ny vahoaka no nanarama azy ireo, ka tsy tokony hampiasa hery amin’ny vahoaka maneho ny tsy fahafaliany sy mitaky vahaolana maharitra. Rano sy jiro rahateo no angatahana fa tsy nanafatra emmo-reg izahay, hoy ireo vahoaka. Totoafo ny fihetsiketsehana tato ho ato ka asa rahoviana vao tena hisy ny vahaolana maharitra ? Mbola hiandry 5 taona manaraka tahaka ilay 400MW poakaty ? Betsaka ireo programa sy tetikasa tanisaina raha tsy hilaza afatsy ny hoe : hanangana toby mpihary herinaratra mahavita 64MW eny Ikopa ka tena handeha sa mbola fampitonitoniana sy poakaty tahaka ireo maro efa nambara niainga tany amin’ny tetezamita ka hatramin’izao ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Maitre Michel Le Dragon
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Mpanavotra no dikan’ny anarana hoe «Mickael»»

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT