Actualités

Maharante Jean de Dieu Gaboraraka ny fampidirana mpiasam-panjakana


  • Talata 19 Septambra 2017

Tsy fantatra mazava hatramin’izao ny tena isan’ireo mpiasam-bahoaka eto Madagasikara, hoy ny minisitry ny asam-panjakana Maharante Jean de Dieu.

 Ady sarotra hatrehin’ny fanjakana rahateo ny fisian’ireo mpiasa matotoa mandray karama. Tsy maintsy fehezina noho izany io trangan-javatra mandany ny volam-bahoaka io. Zava-misy goavana ihany koa anefa ny gaboraraka eo amin’ny fampidirana fonksionera satria tsy hita soritra mihitsy ireo filàna laharam-pahamehana ho an’ny fanjakana eo amin’ny fandraisana mpiasam-bahoaka, araka ny fanamarihany. Ezaka lehibe tontosain’ny minisitera ankehitriny hatreto ny fanavaozana ny fitantanan-draharaham-panjakana amin’ny fialana tsikelikely ny fampiasana taratasy (dématérialisation) miaraka amin’ny fikirakirana ao anaty solosaina ny antontan-taratasy rehetra (informatisation). Efa manitsy ireo lesoka samihafa ireo moa ny minisiteran’ny asam-panjakana amin’ilay tetikasa «fanjakana hoan’ny daholobe» iarahan’ny amin’ny Prea (Programme de Réforme pour l’Efficacité de l’Administration) sy ny Vondrona eoropeanina, araka ny fanampim-panazavana. Tsy takona afenina fa mihamahazo vahana ny fandoavam-bola, izany hoe fanaovana kolikoly mba hahatafiditra ho mpiasam-panjakana ary ahitana an’io avokoa ny departemanta rehetra; hany ka tsy mandeha araka ny tokony ho izy ny asam-panjakana satria mety olona tsy ampy fahalalana sy fahaizana no mitana toerana tompon’andraikitra ambony.


Nangonin-dRamano F.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT