Actualités

Mahanoro Fokontany 4 nametrahana jiro miisa 110


  • Alatsinainy 06 Martsa 2023

Taorian’ny fanombohana ny tetikasan’ny filohan’ny repoblika, Andry Rajoelina, « Hazavao ny elakelan-trano » teto an-drenivohitra toy ny boriboritany faharoa dia ny faritra Atsinanana indray no misitraka izany.

Ny distrikan’I Mahanoro no nanombohan’ny minisitry ny angovo sy ny akoran’afo, Solo Andriamanampisoa, ny fanolorana ireo jiro hapetraka an’elakelan-trano ireo ny zoma 3 febroary 2023 ho an’ny faritra Atsinanana. Jiro miisa 110 no napetraka amin’ny fokontany miisa 4 ao Mahanoro isaky ny 50 metatra amin’ny lalana mirefy 5 kilometatra, hoy ny fampitam-baovao voaray. Ady amin’ny tsy fandriampahalemana eo anivon’ireo fokontany sy lalan-kely samihafa fa indrindra ihany koa ny fampisitrahana ny hazavana ho an’ireo rehetra araky ny velirano faha 2 an’ny filohan’ny repoblika, Andry Rajoelina no tanjona. Nanotrona ny minisitra sy solontenan’ny JIRAMA tamin’izany ireo solotenan’ny vondrom-bahoaka hitsinjaram-pahefana tarihin’ny governoran’ny faritra Atsinanana. Fankasitrahana no natolotr’ireo vahoaka ny minisitra amin’ny fampisitrahana ny jiro tahaka izao ety ifotony izay tsy nisy an-polo taonany maro ho an’ny ao Mahanoro. Ho fanamarihana ny andron’ny 8 martsa, andron’ny vehivavy, tsy nanadino ny fikambanam-behivavy ao Mahanoro ihany koa ny filohan’ny repoblika, Andry Rajoelina, izay nanolotra fanomezana ho an’ireo vehivavy tamin’ny alalan’ny minisitry ny angovo sy ny akoran’afo nandritry ny fidinana ifotony tao Mahanoro, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT