Actualités

Mahalavolona Andoharanofotsy Bevohoka ilay zazavavy 12 taona naolana rangahy 60 taona


  • Alatsinainy 17 Aprily 2023

Zazavavy kely iray vao 12 taona monja no fantatra fa naolana lehilahy lehibe iray manodidina ny 50 ka hatramin’ny 60 taona teny Mahalavolona Andoharanofotsy, distrikan’Atsimondrano.

Raha araka ny fantatra dia mpanofa trano io zazavavy kely 12 taona io sy ireo Ray aman-dReniny izay fianakaviana tena sahirana ara-pivelomana tokoa. Mpiandraikitra ilay trano hofainy kosa io Rangahy lehibe io fa tsy tena tompony. Isaky ny mitaky hofantrano anefa izy dia io zazavavy kely io foana no tratrany irery ao an-tranony ka nanamparany ny filan-dratsiny. Norahonany tsy hiteny na amin’iza na amin’iza izy mandritra izany no sady notambatambazany vola. Tena nahatam-bava tokoa io zaza io nandritra izany. Nahatsikaritra kosa anefa ny fiaraha-monina fa hafahafa izy. Manasa lamba sy matsaka rano eny amin’ny manodidina hatrany mantsy izy ka nentin’iretsy voalohany dokotera. Fantatra nandritra izany fa potika tanteraka ny fivavian’ity zazavavy kely ity. Efa bevohoka telo volana ihany koa izy. Rehefa nanontaniana ny mikasika izay Rain-janany ilay tsy manan-tsiny dia nitantara fa io Rangahy lehibe mpiandraikitra ny trano hipetrahan’izy ireo io no nanolana azy ary efa in-telo nisesy izy no nanamparan’ilay tsy mataho-tody io ny filan-dratsiny. Efa nentin’ny fiaraha-monina teny anivon’ny mpitandro ny filaminana moa ny raharaha koa andrasana izay mety ho tohiny.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT