Miomana amin’ny fiverenana amin’ny fiainana andavanandro ny any Mahajanga amin’izao fotoana izao.
Nisokatra nanomboka omaly ny moron-dranomasina, afaka niverina nanohy ny asany ireo mpivarotra. Na izany aza, dia tsy maintsy mikatona amin’ny 10 ora alina satria amin’ny 11ora alina rahateo ny “couvre-feu”, araka ny fanazavan’ny Prefet Lahiniaina Fitiavana Ravelomahay. Manamafy ny tsy maintsy hanajana ny fepetra ara-pahasalamana, toy ny fitondrana arotava ihany koa ny tompon’andraikitra. Ny 15 septambra no hisokatra ny lalàm-pirenena faha-4 mampifandray an’Antananarivo sy Mahajanga, ary efa vonona amin’ny fandraisana ireo mpitsidika avy amin’ny lafivalon’ny Nosy i Mahajanga.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.