Actualités

Mahajanga Tsy naneno ny kiririoka


  • Alakamisy 13 Aogositra 2020

Nilamina ny tanànan’i Mahajanga. Nizotra toy ny isan’andro ny fiainan’ny mponina.

 

 

 Tsy naneno ny kiririoka nifampitaoman’ireo milaza fa manohitra ny fepetra amin’ny fihibohana noraisin’ny foibem-pibaikoana ny covid-19, Faritra Boeny. Nifanentana tamin’ny tambazotran-tserasera ireo manohitra ny fepetra amin’ny fihibohana, fa hitsoka kiririoka rehefa mipaika ny amin’ny 12ora sy sasany atoandro omaly alarobia ho fanehoana ampahibemaso izany. Araka ny fanazavan’i Achim Kely, isany nitarika ny fanentanana tamin’ny facebook, dia « amin’izao hetsika voalohany izao dia isaky ny tanàna no manao azy ka eo amin’ny varavara ihany no mitsoka kiririoka, ny sasany eny amin’ny tsena izay vao manomana fidinana an-dalambe amin’ny manaraka ». Tsy raikitra anefa izany, ary rehefa nanontaniana ny antony ity kandida Ben’ny tanàna tao Mahajanga ary kandida tamin’ny fifidianana depiote farany teo ihany koa ity, dia nilaza izy fa « maro miaramila de somary nanano sarotra ».

 Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT