Actualités

Mahajanga Tantanin'ny ministeran`ny tontolo iainana ny fako


  • Alatsinainy 12 Oktobra 2020

Isan'ny olan'ny tanàna na an-drenivohitra na ambanivohitra eto Madagasikara ankehitriny ny fiparitahan'ny fako.

Sady mandoto ny rivotra iainantsika no miteraka aretina ary manaratsy endrika ny tanàna ny fako. Vahaolana amin'ny fitantanana ny fako ny fanomezan-danja azy ireny sy ny fanodinana azy ho lasa akora hafa indray toy ny fanamboarana saribao sy harona ekolojika. Làlam-pihariana azo trandrahina tsara ny fanodinana ny fako eto Madagasikara ary mamorona asa ho an'ireo mponina eny ifotony, hoy ny minisiteran` ny tontolo iainanana. Nahita vahaolana amin'ny fitantanana ny fako ny ministeran'ny tontolo iainana dia ny fanomezan-danja azy ireny sy ny fanodinana azy ho lasa akora hafa indray toy ny fanamboarana saribao sy harona ekolojika. Tena làlam-pihariana azo trandrahina tsara ny fanodinana ny fako eto Madagasikara ary mamorona asa ho an'ireo mponina eny ifotony. Ho an'ny Faritra Boeny sy Betsiboka dia mitohy hatrany ny fanentanana ireo mponina amin'ny fitandroana ny fahadiovan'ny tanàna. Misy araka izany ny asa fanadiovana. Napetraka ihany koa ny takela-by manentana amin'ny fisorohana ny fiparitahan'ny fako ao amin'ny Pont FITIM ao amin'ny Fokontany Mahatsinjo, Distrika Mahajanga I sy tao amin'ny Tobin'ala Marohogo Distrika Mahajanga II izay manamorona ny lalam-pirenena RN4. Ny Fitaleavana iraisam-paritry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy (DIREDD) Boeny Betsiboka no nisahana izany. Tokana moa ny tanjona dia ny hananana tanàna mandroso sy madio ary mahasalama ny rehetra.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT