Nahazo vahana tamin’ny faran’ny herinandro teo ny lozam-pifamoivozana moto sy ny fiara tao Mahajanga.
Taorian’ny loza mahatsiravina ny zoma teo izay nahafatesana efa-dahy dia ny alahady teo indray zazavavy roa nitondra moto tsy nisy aro loha no voadonan’ ny fiara tsy mataho-dalana iray teny amin’ny lalana mihazo ny Amborovy iny. Naratra mafy izy roa vavy ireo vokatra ny fifandonana niseho ary nitsoaka nandositra ilay mpamily fiara raha nahita azy ireo nianjera tamin’ny tany. Voa mafy teo amin’ny lohany izy ireo ary tapaka tongotra avia ilay nitondra moto. Tsy avora intsony moa ny ain’izy mirahavavy na dia noezahana novonjena sy novelomina teny amin’ny hopitaly aza. Mbola karohana ilay fiara sy izay nitondra azy .
Tolin
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.